VAVAKA (Finidy NyAndry)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA

Ry Tompo mankety ô!
Aza avelanao ho manirery aho raha mbola miaina ety
Ny foko sy ny saiko koa re
Aza avelanao hania
Hiantsampy any an-kafa

Fa... arovy tsy ho simba ny foko efa maratra.
Dia... mba tafio herin-tsaina ity saiko kely bado
Ny ranomasoko mipatraka aty ambany ravinkazo
Mba ampodio ho fifaliana.

Ny foko izay misaona
Aza intsony hampijaliana fa
Ndrao tsy ho zakan'ny lohaliko ny vesatra ao an-tsoroko
Ndrao tsy ho telin-danilaniko ny kapoaka atohokao imolotro
Ka ... sao hanimba ahy

Fa... topazo fifaliana
ity zanakao variana
Misento mitomany
Fa hitanao dia hitanao ihany
No hany sisa havako

Ka enga anie valianao
Izay mba anjara valimbavako.

Finidy NyAndry
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
213 1
Fans: karako
Commentaires
hery ( 01/11/2023 16:20)
Asa avelao?
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Finidy NyAndry
Inséré par : Finidy NyAndry
Date : 17/09/2023 03:45
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146