fitiavana nifoha (fitiariela)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA NIFOHA

fotoana fohy indray no nahitako anao
fohy nefa nampikobana 'zay efa tony
fotoana namelona fitiavam-baovao
tsia, tsy vaovao fa fitiavana natory

raha tsiahivintsika kely ireo taona sy andro lasa
efa elaela ihany satria efa-taona mipaka
niontanan'ity fo taminao tsy voahodina
sa ve zany marina tokoa no atao hoe " coup de foudre"

inao moa tsy nahalala, izaho koa tsy nanampo
f'hay ny fitia mety matory ary mbola mety hifoha
ka hamonto indray ny fanahy, fo sy saina
mandrapahatonga azy ho hery tsy hay tohaina

tsy nisy fomba nahazoako nahatanteraka ny nofiko
dia hoy aho hoe" aleo angamba ho tsofiko
'ty afo 'zay mivaivay mandoro ahy isan'andro"
dia nihevitra aho hoe levona sy maty kanjo

ny vainafo dia niafina tambanin'ny lavenona
ny forohana nanetroka tsy hay nafenina
dia indro noseraninao indray r'ilay tadio
ka nampiredareda indray io afo io

izay angamba no manamarina ny Tenin'ny Ray
fa ny "fitiavana tsy ho levona mandrakizay"
"mahery toy ny fahafatesana" ka tsy voasakana
mandeha tsy voizina ka misosa toa lakana

tsy fantatro na ny fihetsika tsy tandriko no hafatra niampita
na ny tselatry ny fijeriko no nifindra ka tafita
fa indro tsinjoko ihany koa tamin'ny masonao 'lay afo
ary ny ambaranao mitory fitia manakoako

dia nifaly ny fo, ravoravo koa ny saina
fa nivoady isika roa fa ho iray vatsy iray aina
dia nisaina koa fa tafaray ny tia sy ny manina
kanjo tsy ela akory dia tonga ny sangodim-panina

ry Lanitra ô! rahoviana no tsy handringa intsony ity fitiavko ity
dia ilay fitiavako mahantra tsy mety ahitako fy
sembanan-drahona indray ry Lanitra ô mba vonjeo!
raha azo atao ampionony ity foko mitoreo
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
6322 0
Commentaires
petakoel ( 14/01/2009 07:46)
efa-taona taorian'ny nanoratana an'ilay fitiavana mandringa no nanoratana azy. (fitiariela=petakoel)
katiaa ( 14/01/2009 10:16)
Tiako ny hevitra fonosiny, mankasitraka ee 😊
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : fitiariela
Inséré par : petakoel
Date : 14/01/2009 07:35
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134