"vilany 24" ahy ianao (fitiariela)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ahy ianao hoy ny foko amin'izay maha izy anao
na ny tsikinao , na ny jerinao, na koa fahalemenao
na toa inona fanaratsiana, na toa inona fanakianana
ahy ianao hoy ny foko na iza hitsivalana

bitika, hoy ny sasany, mety kely ihany koa
ahy ianao hoy ny foko ary izany dia ho to
na ianao koa aza angamba mihevitra ho tsinontsinona
na vilany 24 aza tsy foiko fa ahy tsinona

ka na fampiratiana na koa hoe fampitaha
tsy azo akifika ny foko fa ianao ihany no ahy
ary na ampisafidianana na asiana koa lavanty
tsy atakaloko anao na dia vilany 40
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1134 1
Fans: bidou
Commentaires
petakoel ( 14/01/2009 08:20)
tiana aseho am le "vilany 24" d hoe mety ho mahantra na tsy tian'ny olona na koa tsy dia manana ny maha izy azy loatra angamba le olon-tianao toy ny vilany 24 tena kely tokoa kanefa rehefa tena tianao izy d anao avokoa ze maha izy azy reetra na ny soa na ny ratsy. zay le fitiavana e!fitiariela=petakoel
hery ( 14/01/2009 08:37)
😊 fitiavana vilany sa fitiavana ny sakafo ao anatiny?
petakoel ( 14/01/2009 09:36)
nga tsy novakianao le fanazavako. le vilany mihintsy no akana ohatra. vilany"24"kely sady tsy d hita loatra ze ampiasana azy.vilany""40"lehibe ka azo ampiasana am ze tiana anaovana az na vary b na lôka b. anehoana karazan'olona 2 samihafa le "24" s "40" ambony sy ambany na manam-pahaizana sy tsy d tam zan lôtra sns.fitiariela=petakoel
katiaa ( 14/01/2009 10:26)
Izany v zany le hoe rehefa tia olona dia tiana daholo ny tsarany sy ny ratsiny? Ndraindray mampitsoaka ihany le izy kouu!!!
Zozoro ( 14/01/2009 17:08)
Tiko ilay vetso.Somary hafakely ilay fampitahana kanefa tsy ratsy an!
petakoel ( 18/02/2010 13:03)
salut!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : fitiariela
Inséré par : petakoel
Date : 14/01/2009 08:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0151