Lasa (Fo MiAntsa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa sary an-tsaina ihanyNo nahalalako izany,
Raho-mitanila,
Sy fiaina-malok’ila
Hatramin’izay nipoiran’
Ny masoko akiroa.
Fa hay vara-datsaka, mamotika ny foko
Sy maha kilahotohoto
Ny atin’ny fanahy !
Dia velona ny tsiahy…
Lasa mantsy ianao !
Ilay niara-nilalao
Sy niara-nody koa !
Ilay niara-nitatao
Sy niara-niloloha
Ny adin’ny fiainana…
Dia haiko ny mitsiky
Anaty ranomaso,
F’ianao ilay sahy mitsiky
Anivon’ny ankaso !
Tsy hanao veloma aho namako,
Tsy mandram-pihaona koa !
Satria ilay fiainanao
Tsy manam-paharoa
Ho velona ao am-po !
--------
Lien:
Catégorie :
Namana - Malalaka - Hanina - Fisarahana - Fiononana - Fampaherezana - Fahatsiarovana - Fahafatesana - embona - Alahelo
Commentaires
hery
(
25/09/2019 16:31)
Tiako kosa ity.
Tsah16
(
27/09/2019 07:40)
Mankasitraka #Hery