Fa ny antsonao (Harifidy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny antsonao

Fa ny antsonao tsy reny
Dia efa notefeny
Ho anao daholo
Ny fo sy ny herin-tsainy

Nataony lemademaka
Azonao hitsorana
Toa bozaka malefaka
Tsy main’izay hodorana

Fa ny bitsikao vao miainga
Dia efa lasa bainga
Manao ambaratonga
Vitany ho tanety
Mamokatra sy miaina
Toa tany mampirenty
Ireo saha mahafaly saina

Fa tonga koa ianao
Nanjary safononoka
Namantana hasambarana
Dia faravodilanitry
Ny manan-kifaharana
Sy tondraka voan-dalana !


RAMAROZATOVO Harifidy
06 mai 2001
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Fitiavana
1021 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Harifidy
Inséré par : Harifidy
Date : 17/04/2014 14:45
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144