VETSON'NY MANINA (HASINIONY)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitakosin-drahomainty izato lanitra eny ambonyNiha nanonja vetivety ny ranomasina izay tony
Fa ny fitiavako anao safononoka hatrany
Na dia tsy tsinjoko endrika any an-tany lavitra any
Niha nalazo vetivety iretsy vony an-jaridaina
Toa nanjary haizim-pito misandratr’andro vao maraina
Ny foko anefa sahy mivoady ary tsy miambakavaka
Fa ny fitia izay nodradrainy dia ianao no tompon-daka
Niha iva feo miandalana ny vazom-borona eny an’ala
Ny danik’andro mahamay nosoparan’ny fanala
Fa ny toky omeko anao dia ny ho mandra-maty
Ka soraty ho tadidy sy ho latsa-paka anaty
... ny setrasetranao ry tany tsy hamoizako ny tiako
Na ny ngidy, na tomany? hiaretako hiafiako
Izahay voasara-toerana, tsy maninona fa tantiko
Fa raha sambatra izy any dia mitsiky ny ato anatiko!
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
lanto
(
29/08/2004 13:43)
manja !
nyeja
(
29/08/2004 14:46)
mahereza e tsara e
yonikafopl
(
29/08/2004 21:24)
mahafinaritra be hasiniony a!!!!
nikopol
(
30/08/2004 08:26)
Basy be e! milay...
hery
(
02/09/2004 11:23)
misaotra fa tena mahafinaritra. Rehefa tia marina dia tia
Malalason
(
04/07/2005 11:18)
i Hasiniony Ilay Vehivavy hitako tao @ Faribolana Sandratra ve ity manoratra mahate ho tia ity sa ? (NB ny tononkalo ny maha tara ahy an sao diso eritreritra eo)
hasiniony
(
11/12/2005 06:51)
Hihh, misaotra eh!