valiha (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALIHA

Lasan-davitra ny saiko indray harivan-dohataona
Raha nikatsakatsa irery teny an-tobin'ny fahiny
Tsaroako mamiko indray tian'ny foko toa misaona
Ny mihaino feom-baliha amin'ny andro tolak'iny

Hafaliana re ny ahy nony ampitson'iny ihany
Raha nahita volotara teny an-tsisin-drenirano
Io no nentiko nalaky ka nifofotra aoka izany
Itony tenako tontolo nanamboatra tao an-trano

Herinandro dia tontosa ilay valiha nolalaiko
Ka napetrako talaky mba ho hitan'ny vahoaka
Kanjo nony notendrena zary ketraka ny saiko
Feo malemy mitsipozy no mba henoko nivoaka

Hay adinoko eny mantsy ka nataoko teo no ho eo
Ny nanisy triatra kely tamim-batam-bolotara
Io no ratra sarobidy hirika mpamoaka feo
Mahatonga ny valiha hikarantsana sy tsara

Ny poety koa ry lahy dia karazana valiha
Ka ilainy lalandava irony ratra tsy mitony
Irony kalony milanto tsy mba maro mpankafy
Raha tsy heno sy tsaroany fa efa tresaka ny fony !
--------
Rohy:
3815 4
Hevitra mandeha
marozevo ( 19/04/2006 19:41)
Tsy asiana ady hevitra fa marina tanteraka izay voalaza.
Simpona ( 18/05/2006 13:53)
Ao aminao ilay talenta
pissoa ( 30/06/2006 16:37)
Omeko isa dimy.
hasiniony ( 01/07/2006 09:24)
Kitapo foana latsaka eny amoron-dalana ireny; fa izay mahita azy ka mandray azy no mameno azy ho erany!
Ary raisiko ho hery lehibe ho ahy ny fahatsapako noho ny nataonareo fa tsy mitory teny anefitra tsiakory ny tena!
Mysento ( 19/08/2009 13:49)
Tena lafatra,asio hafa e.
MAHEFALISON ( 30/03/2010 09:38)
... am-po mieritra, mahereza dia aza mitsahatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 19/04/2006 11:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01