RATOVOVAVY (Hatenaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
E !indrisy anie ra tovovavy
Fa toa maika loatra izato izy
Tsy vodiondry tsy mariazy
Sa maika hitaiza ankizy ?

Niangolangolany ianao dia tavela
Nitositosiny ianao dia taraiky
Tsy fantatrao anefa fa efa tena ela
Ianao no tiany mba hanaiky

Hanaiky hanaovany ny hadalany
Satria heveriny ho sanana
Nefa tsy omeny ny hatanorany
Fa avy eo izy mitady lalana hialana

Noheverinao izy hoe tena tia
Tena fanaperana eto an-tany
Dia navelanao izy hankafy
Sy hanaram-po sesilany

Voatambitamby ianao voadoka
Nomeny toky mihitsy aza hoe :
Raha sanatria ianao bevohoka
Dia hiaina am-piadanam-be

Indrisy anefa fa ny toky fitaka
Ny lehilahy moa tsy hita fery
Fa voakenda ianao voatsipaka
Izao ianao ity navelany ho irery !

Tsy handatsa anao sanatria
Na hamendrofendro akory
Fa mba tovovavy koa ny aty Ka mahatsapa anao hoe ory
14/02/20 (17:38)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitserana
945 1
Mpakafy: Hatenaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hatenaina
Nampiditra : Hatenaina
Daty : 14/02/2020 14:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014