Asio elanelana (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asio elanelana

Rehefa ianao mba tsotra sy mandala finamanana
Dia tamy ireo mipoitra miseho ho lohalaharana
Misisika aminao ho tena tia tokoa
Kanjo izao ataony izao tsy misy avy amin'ny fo.

Ireo ilay te hahalala ny anatinao miafina
Mandray anao ho adala sy mora hotarafina
Tsy mena-manontany ny fiainan-tsy ikambanana
Fantatrao izany ka aza iraisana lambanana.

Rehefa ianao morainy tsy mety ho sarotiny
Dia azony ny ainy fa misy hosarangotiny
Ianao no hitadiavany karazan-tombontsoa
Ianao, hono, havany ka mba meteza moa !

Aoka kely aloha, mandraisa ianao toerana
Sao tsy hahasoa ka voleo re ny elanelana
F'iza ireo tsy tia no hasaina hivalampatra ?
Makà saina akia, tsy aleo ve aloha mihataka ?

Heriarilala 19:20 24 oct 24
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
11 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2114