Baboy (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Baboy ! ❤️???

Aza avela hitia ankoatra anao ity foko adaladala
Aza avelanao handao, sakano re tsy hahalala
ny tsiron'ny any an-kafa
Aza avela hahatsiaro irony selontselon'ny efa lasa.

Aza avela hamantatra na haniry fo vaovao
Aza avela koa hiambatra ny hijanona aminao
fa fatory sy sakano
eo an-tratranao no tano.

Malala a ! Mitady hiala sakana ity fo maditrako
Mitady hivily lalana kanefa re tsy sitrako
ny handao anao ilay tiana
fa ny tena faniriana
dia ny higoka sesilany
ilay fitiavanao hatrany.

Ka aza avela hitia ankoatra anao ity fo adaladala
Aza avelanao handao, ô hazony tsy hiala
sao hivily ho any an-kafa
ka any vao hahita ratra.

Heriarilala 26/11/2021
--------
Lien:
8 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111