Ho mby an-koditrao (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho mby an-koditraoZaza tsy mahalala lahy,
tsy mahalala vavy
kanefa ianao dia sahy
mandrotidrotika azy
Sahinao nohosena
ny hajam-pahadiovany
vatranao jerena
ny lalam-pahalovany.
Dia tsy namelanao
ilay zaza virijiny.
Nialam-panahy ianao !
Biby ankehitriny !
Tsy maintsy hananan-tsiny
izao toetra ratsy izao
ny valy fatin'iny ?
Ho mby an-koditrao
Heriarilala 2 nov 2020
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
