Mbola...anao (Heriarilala Andriamamonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA ....ANAO

Mbola manonona ny anaranao aho rehefa miditra ato an'efitro...
Tsy tana ny eritreritro
manjohy ny nofintsika
ilay hiaina paradisa
sy hamy tsy hita isa...

Mbola mandre ny fihinao aho rehefa manonitra ny feriko...
Ilay mila tsy ho lefitro
dia tamy ianao mitsabo,
manarina ahy ilay lavo
izay mihosina sy mavo...

Mbola mianoka ny orokao aho rehefa iny mba mikimpy ...
Miaina toy ny misy
ny famoronan-tsaiko,
kanefa efa haiko
fa tsy eto ilay lalaiko ...

Mbola miandry anao aho rehefa miditra ato an'efitro
Ny "tia anao" ventesiko
Ho avy ianao hamihina,
tongava f'hodinihina...
(...)

Heriarilala 21/08/22
20h19
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
6 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116