Fenoy (HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah)

Lu par tinalalaina117
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fenoy

Fenoy ny tsikitsikintsika ny lafin-drindrin’efitrao,
Fenoy ny nofinofintsika ny alina tontolonao,
Voleo ny voninkazontsika ny ila tokonanao,
Fafazo ny fitiavantsika ny lalana falehanao,
Fenoy ny tatarantsika ny diary kelinao,
Ampitahory ny herintsika izay mandrebireby anao
Dia ovay hoe"isika" izay rehetra momba anao
Fa izaho ho toa anao, sy hiaro anao.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
179 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : HERILALATAHIANA Tojosoa Sarah
Inséré par : tinalalaina117
Date : 29/08/2025 14:32
Lectures
Lu par tinalalaina117
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0131