Tsy miova ry Vadiko (Herilanja RANDRIAMANGA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na miovaova aza ny taona,Tsy miova ry vadiko,
Ilay hoe tia anao foana,
Izay koa moa no voadiko.
Raha mifoha maraina,
Maniry foana anao,
Matoa aho miasa saina,
Dia mbola noho ianao.
Ny anilanao hatrany,
Efa hatramin'izay,
No ahitako mamy,
Sy mahasambatra ahy,
Nandalo ny ririnina,
Ny orana nifafy,
Fa tsy nampiova inona,
Fa isika no nihamafy
Ny voloko no hiha-fotsy,
Izaho no mety hiha-hosa,
Fa ny fitiavako anao rafotsy,
Mitombo sy miavosa
Ny tarehiko halazo,
Mety tsisy hantenaina,
Fa ianao no voninkazo,
Ahitako herin-tsaina.
Tsy mety mifangaro,
Tsy azo hampitahaina
Fa aleo ny zaza no atao maro,
Dia aveo isika maka aina,
Ka tsy miova anie ry vadiko,
Ilay tia anao hatr'izay
Ilay voadiko dia voadiko
Ilay mandrakizay
--------
Lien:
