MPANOTA (IARANTSOA Mahefa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpanota tsy mendrika akoryno tonga mba te hitaraina.
Ny maso tsy mba azon-tory
kikisan’ireo adin-tsaina.
Toa notetezina foana ireo
mpahita sy ho maminany.
Tsy nisy mba zava-niseho
omaly tsy niova eny ihany.
Ka indro aho fa midodododo
manganohano sy mipitrapitra.
mifona fa toa zaza bodo
sisasisan’ ny ota sy ditra.
IARANTSOA Mahefa
Oktobra 2019
--------
Lien: