Manatanteraka (Iary Fyh)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mitsiky ny tanamasoandroTsy maintsy hitakaizina ihany
Raha ny tsiky tokony aposaka etoana no avadika ho lasa tomany
Na tsara ny lanitra manga
Hivadika ho somambisamby
Raha alahelo efa lasana omaly no mbola entina koa androany
Ny alina sy nofy mamy hivadika ho fotsy avy hatrany
Raha Sorisory na koa hakiviana no andefasana be ny vinany
Ny eto na tsara ary ho ngazana ihany
Raha toa ka hifantohana be ny adidy mitondra ny tany
(Fa hody vovoka Indray andro any)
Ary na manana heri-tsaina sy miezaka Aza ianao
Fa am-bava fotsiny ihany dia mety hamoy...
Tandremo ihany izany!
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
