Tia (Ilo NANAHARY )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia...

Misy sarisary miverina ato an-tsaiko,
Rehefa aho manirery
'Ndraindray aho saro-piaro,dia mainka ery hijery ny anaty rindrinao
Ny zavatra hitako ao?

Misy namanao nametraka taria,
izay ny teo aloha
Ny tany ambanimbany!
Misy lehilahy manisy sary fo tanaty rantinao

Somary naharary ny fo anatiko ao
fa lasa saro-piaro ny mombamomba anao ny amiko rehetra
Zary nanetsetra sy toa niteny irery
anaty gonongonona
Ny tiako ianao sy ny hoe(...)maha saro-piaro ahy loatra no toa voatonontoniko
Sy ato an-tsaiko izao ...

Fa babonao ny foko,na sary fotsiny aza ato anaty rindrinao

NANAHARY ilo

04 martsa 2023
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
46 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ilo NANAHARY
Inséré par : ilonanahary
Date : 30/06/2026 12:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121