Ao amin'ny (JERY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao amin'ny...

Ao amin'ny fitiavanao no mihorina ny fiainako
Toeran'ofy sodisody mety ho zakan'ny fisainako
Ao amin'ny fonao no mba tiako hambolena
Ilay raozy tiako indrindra nandrenesako fanekena

Ao amin'ny hiranao no hametrahako ny foko
Hitondrako tononkira nofinofiko hatrizay
Hirahira,vazovazo,tononkalo maro loko
Ventsoventso takariva mampitony ny fanahy

Ao amin'ny endrikao no misy ny hasambarako
Ao anatinao ao no hapetrako ny fitiavako
Hisy anao daholo n'aiza n'aiza tany halehako

Ao amin'ny tsikinao no misy fo mitempo
Ny momba anao rehetra no efa tapitra nekeko
Ao amin'ny fijalianao no fasana hilevenako

Jery
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1186 2
Commentaires
prosper15 ( 22/06/2015 16:18)
ao @ny fijalianao no fasana ilevenako!! tena mitori fitiavana lalina be ilay tononkalonao e!!
landryjery ( 02/08/2016 14:32)
misaotra e
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : JERY
Inséré par : landryjery
Date : 22/06/2015 09:24
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118