Ny fitiavako (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fitiavana ao anatiko ao no ho soratako aminao
De tsy ho ampy azy ny taratasy eto amin'izao tontolo izao
Satria foiko manontolo eny atokako ho anao
Izay mety ho ahy rehetra na ny aiko aza foiko tsotra izao
Tsy tiako hisy soritra alahelo akory ny takolakao
Tsy tiako ho mandon-dranomaso ny mosoaranao
Tsy tantiko ny mahita anao miferin'aina noho izao sy izao
Fa satriko ho tsiky, hehy no hameno izato endrika sarobidinao

Raha tsy mahita anao iray minitra monja aho
De maloka tanteraka ny saiko sy fanahy
Tsy tony koa ny foko fa feno ahiahy
Tsy sasatra mihitsy aho mahatsiaro, mahatsiahy

Tsy tantiko mihitsy mantsy ny lavitra anao
Sao manganohano ilay masokelinao
Raha sendra adin-tsaina tsy mahita izay atao
Ka izany no tsy ahafoizako ny eo anilanao
Raha mifanakaiky isika de tantarainao
Izay olana tsy maintsy ho sedrainao
De iarahana mitady hevi-baovao
Ka azo antoka kokoa ny fahatafitanao

Izany no hifidianako ny eo anilanao
Satriko ho fohanako zay mety ho olanao
Izaho no hibaby izay mety ho entanao
Izaho no hanolotra vahaolana ho anao

Tsy ho tatrin'ny fanaintainana noho ny tsy fisiana ianao
Fa hisikina aho hitady mba hiadananao
Tsy hahatsiaro noana mihitsy na hangatsiaka akory izato nofonao
Izaho no hamoky sy hanafy hery mba hahafaly anao
Hiezaka mihitsy aho hatramin'ny fara aiko hanao zay azo atao
Ka raha fahoriana izany tsy azo hanatokatona ny lay hitoeranao
Hotsenaik am-baravarana ka ho sakanako eo mba tsy hiditra ao
Ka tsy handalo ho renao akory fa hisinda sy handao

Saingy indrisy sombinaiko fantatrao de fantatrao
Fa kely aina loatra izato havanao
Ka faniriana maro no tsy tontosa akory fa ao anatiko ao
Ka de tsy voaporofoko fa tena tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
2245 2
Mpakafy: Lepetitbeau - tia2005
Hevitra mandeha
doum ( 04/08/2005 11:40)
Mety be ilay izy e
tsara misaotra ô
tia2005 ( 04/08/2005 12:00)
Mahagaga ihany raha izao zavatra izao no ataonao hoe tsy manana haingam-panahy artiste enao ! tena tsara b ilay izy ê! marina ê! io fitiavana io tsy lany amamiana ê! tohizo ny resaka an'io fa mety fona!
tia2005 ( 01/09/2005 11:43)
mba anoraty tonokalo aho ry joh â! io pseudo io no lohahevitra! ahoana raikitra?
Lepetitbeau ( 01/09/2005 13:12)
ho an'i tia2005 hanaovako enao fa aza matahotra de misaotra betsaka aloha amin'ilay fankasitrahana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 04/08/2005 11:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153