TSIMBALIVALY (Justin TAHIRISOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIMBALIVALY

Fony aho niangavy nizaha fanampiana,
Latsaka am-pandrik’ilay tsy fisiana
E! Tsisy nihaino ity antso, toreo,
Toa vato maty ilay fonareo;
Tsy kivy anefa aho na tsisy nijery,
Ny Tompo miahy tsy namela ho irery,
Izy nanefy ahy, k’indrao tafajoro
Nanjary manda tsy mety mikoro.

Tsimbalivaly ny fiainana an-tany,
Ireo mitsiky indraindray mba tomany,
Ankehitriny ianareo sendra angano,
Fefika mila ho atelin’ny rano,
Ka mila vonjy, miangavy ho henoina,
‘Zaho tsy nahoana taloha no nantsoina
Tonga aho nitsetra, nanampy am-pitia
Ny hamaly faty hoy aho sanatria!

© Justin TAHIRISOA,
Novambra 2018
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
682 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143