FAHINY (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHINY...!

Hoy i Mama izay hoe...
"tamin'ny andronay...?
maraina vao mifoha
mangiran-dratsy iny
dia...mitoto vary aloha
avieo mandray ny siny
mandeha manondraka anana...
mankeny antanimboly
Rehefa vita izay
vao...mamonjy ny sekoly
fa hianatra indray !

Tamin'ny andronay dia...
zara raha fitaratra no
hijerena tava !
tsy nanana herin'aratra...
ho jiro manazava
Fa eo amorom-patana
no fianaran-desona !

Tamin'ny andronay...
tsy nila posiposy
no solom-pitanterana
na "taksiborosy"
mba azo nianteherana
Ka efa fahazarana
ny mandeha an-tongotra
hamonjy fianarana! "

"Tamin'ny andronay ...."
Hoy ny fitantarany
"Mama a! ampy izay"
Hoy aho nony farany !
nametraka baraingo ny tany an-tsaiko tany
naheno ny fahiny...
Aiza ho aiza amin'izany
ny anay ankehitriny ?

Lavenona
15/07/23
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
112 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147