ISAORAKO IANAREO (LAVENONA)
Lu par ikalamako
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAORAKO IANAREO Ho anao ilay sakaizako nanampy teny foana
Nampahery hatrany tamin'ny andro nitarainako
Namafa ranomaso raha sendra izaho nisaona
Misaotra anao manokana fa nisy tamin'ny fiainako !
Ho anao tsy nanadino fa nahatsiaro ahy
Tsy sasatra nanohana ary koa nitondra am-bavaka
Rahalahy sy anabavy..., Ray sy Reny ara-panahy
Isaorako etoana tsy misy ankanavaka !
Ho anao ....
Ilay voaloham-pitiavako nampianatra ahy nitia
Nivadi-pitokisana ka lasana nifindra
Raha izay hoe hanozona ataoko sanatria fa...
Isaorako hatrany ianao nampianatra ahy namindra !
Ho anao ilay olon-tokana namehy ny ratram-poko
Ianao no nanasitrana ireo fery tato anatiko avahako amin'ny maro ianao ry mamiko tsy foiko a !
Tolorako fisaorana ,teo foana tsy nandao !
Ho anao ilay tsy nitsahatra nanjohy ny tononkaloko
Nankafy hatrany ,mihitsy tsy mba leo
Sarobidy loatra ireny ka tsy voavaliko
Fa ny azoko lazaina ? ...isaorako ianareo !
Lavenona
--------
Lien:
Fans:
AlphaTokiniaina
Commentaires

danielroimemy086
(
11/05/2024 08:23)
Mankasitraka an'i Ikalamako niantsa ny tononkalo

ikalamako
(
17/05/2024 21:21)
"isaorako ianao" koa eee - hihihi

AlphaTokiniaina
(
03/06/2024 17:59)
Miarahaba ry se azoko zaraina ve?
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterLectures
Lu par ikalamako
Audio Player