LATSAKA NY SOTRO (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LATSAKA NY SOTRO

Nisento izaho no sady...
noraisiko ilay sotro
nilatsaka amin'ny tany
raha hisakafo iny !
Angamba hanambady...
izy iny atsy ho atsy
hoy ny tany an-tsaiko tany
sa niova ve ny tiany ?

ehh! Lasa ny fisainako...
Ka ilay sakafo tsara
akoho sy tsaramaso
izay tena nankafiziko
zara raha nohaniko !
Izay angamba no anjara
tsy arahin-dranomaso
fa intsony ianao tsy ankiziko !

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fisarahana - Fitiavana
291 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142