MANANA FAHARETANA (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANA FAHARETANA

Raha sendra ka mafonja
ny entana zakaina
Mahery sy manonja
ka mankarary ny aina
Dia teny kely monja
no azoko lazaina...
Manàna faharetana !

Raha toa ka mankadiry
ny ady izay lalovana
ka rakotra hirifiry
sy tena mahatorovana
Dia tiako ianao hikiry
ity teny ity tsarovana
Manàna faharetana !

Raha nanadrana in-tsivy
tsy namokatra daholo
dia aza mbola kivy
fa mety ny fahafolo
no handraraka ny ivin'
ny voahary manontolo
Raha manam-paharetana !

LAVENONA
03/08/23
--------
Lien:
54 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144