MIVAVAKA HO ANAO (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVAVAKA HO ANAO

Mivavaka ho anao
no hany ataoko etoana
raha toa tsy hiova intsony !
Fa ny ratra anatiko ao?
Angamba aman-taona
vao ho sitrana sy tony !

Mivavaka ho anao
na aza vita hatreo
ny fitiavana hatrizay !
Kamanomboka izao
dia mitso-drano anareo
ny poeta toa anay !

Ho tojo izay irina
hahazo izay ilaina
na vola na fitiavana
Ho lavitra hakiviana anie..
Ho lazoin'adin-tsaina
no tiako hahatongavana

Ny tsara maro an'isa
fa hiangaviako ianao
mba hisafidy tsara
Fa ny hany ataoko sisa ?
mivavaka ho anao
mba ho tojo ny anjara !

LAVENONA
03/05/23
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
257 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014