NAMAKO IANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ianao.....
Noho izany tsy ho adinoiko
sakaiza tsy mandao
Eny ,namako tsy foiko!

namako eny fona .!
Na ho tsiky na tomany
na mivalona ny taona
dia sakaizako hatrany!

Fizarako ny alaheloko
Rehefa mila tsy ho zaka
ny angon'ny ny tsiambarateloko
dia..teo ianao ilay nampitraka!

ny finamanana taloha
sy ireo lasa nolalovana
Tsy voafafako ao andoha ,
Fa...mitoetra ho fahatsiarovana

Ny sombotsombiny ihany ireo fa.....
raha fintinina dia izao
na inona na inona miseho
Dia.. namako eny foana ianao!

LAVENONA
12/11/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
657 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0181