TOKANTRANO (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKANTRANO Ny ankizy amin'izao...tsy ampy taona
dia efa mahay raha sahady
bevohoka mialohan'ny fotoana ka...
voatery mandeha manambady !
Dia any izy ireo vao manenina
Mitomany vao tafiditra ao
Mba meteza re reto tenenina fa...
ny tokantrano tsy hisangy aminao a !
Ny sasany izany moa aza...
tsy hita lazaina intsony. .
Midrikina tsy hanolo zaza
tsy mahazaka fofona hono
Mampametraka fanontaniana hoe...
fa mba zanak'iza ary itony e ?
Tsarovy ity teniko ity...
mialohan'ny hanambadiana ?
Ianaro ny sasa lovia,
Fafa trano..., manasa ny akanjo
Hofa vary sy mandrehitra afo
ary mikarakara nahandro !
Ny tokontrano e !...izao no fantaro
Tsy natao hampahatahotra anao
Mianara ianao zavatra maro...
mba...tsy ho sahiranana rehefa tonga ao !
Lavenona
--------
Lien:
