TSINGERITAONANAO (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERINTAONANAO

Lahin-jiro iray tsy misy mofomamy
No nenti-mankalaza ny tsingerintaonanao
Tsy nisy koa mpanotrona hafa tsy iray ihany
Raha ny tombatombako dia ray na reninao.

Tehaka malefaka sy hira mangingina
Ireo no nandravaka ny fetinao androany
Kanefa nahagaga sy tena nahavariana,
Fa... rako-pifaliana ny any am-ponao any.

Dia lasa teo ny saiko hoe hay ny fifaliana,
Tsy mifidy harena na ory ianao na manana?
Zava-poana ireny fa ny zavatra takiana?
Ny fahaiza-mankasitraka ny eo ampelatanana.

LAVENONA
--------
Lien:
Catégorie : Fiarahabana - Tsingeritaona
33 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176