VELON-DRAY AMAN-DRENY (LAVENONA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELON-DRAY AMAN-DRENYRaha toa velon-dray aman-dreny
misaora ny Ray ao ambony !
Satria rehefa lasa izy ireny dia...
tsy misy mpananatra intsony !
Tsy fidiny ho an'ny kamboty
ny hisotro kapoaka mangidy
fa tokana tsy afa-miangoty
ka zary tsy manan-tsafidy
Raha toa velon-dray aman-dreny
Hajao izy ireo dia tiavo !
Matoa izy ireny miteny
dia fitiavany anao tsy ho lavo
Ny mamingavinga aoka itsy !
Fadio ny manao bemarenina !
Tandremo fandrao sanatria
tsy eo izy ireo vao hanenina !
Raha toa velon-dray aman-dreny
aza miandry ho tafita...
vao hamaly babena azy ireny
Dieny izao dia ataovy izay vita !
Mantsy ny ray aman-dreny ?
Ny zanaka no hianteherany
Omeo azy ny valibabeny fa...
mandroso ny fahanterany !
Lavenona
--------
Lien: