Anja ! (Lebota)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ho an'i Anja sy izay zatra mametrapetraka sy mampirafy !Anjaran'olon-kafa
Efa tia hatram'izay ianao ry Anjako
Ka aza manatsafa
Mamoron-dainga bala rora
Ampirefotra ny vanjako.
Fa ny lohakelinao
No niondana ny tratrany
Dia ny tananao roa
No namihina ny vatany !
Omaly hariva io !
Ora vitsy monja tamin'ilay fotoanantsika.
Resinao aho ! Hana, vaka, nangatsihaka!
Eny é ! Fantatro ny fitiavanao ahy
Saingy maso sy sakay ny fitiavanay roalahy !
Ka aza amboamboarina
Anotoranao ny marina
ny hatsaranao tsy hafiko.
Avelao hilendalenda
Hijery anao manoroka azy
Ny molotro sy masoko.
Ary alao ny tananao
Tsy hitana ny fitafiko
Sao ny fofon'olon-tianao
Hifangaro fofon'alahelo
Dia ny fofom-balifatiko.
Mialà !
Lebota (Clarys)
--------
Lien:
Fans:
haraldtohaina
Commentaires
nyeja
(
08/05/2004 05:15)
masiaka dia masiaka ny tononkalo, asa tao anaty hatezerana ve ny mpanoratra no nanao azy ?
hendry
(
08/05/2004 11:40)
Tao anaty hadisoam-panantenana ngamba o?
Clarys
(
08/05/2004 19:57)
Misaotra anareo ! Fantatrareo ihany fa mafy izany hoe "voafitaka" an ! Tao anaty fahadisoam-panantenana io no nosoratana ary tena miantso "valifaty". Soa ihany aho fa bandy tsotra sy tsy mpanao andolom-po! hi hi hi !
hery
(
11/05/2004 11:17)
Iza leisy izany Anja izany k'lé. Sao dia mba sipa fantatro? Aleo fa ataoko mamay 😊
rinakely1
(
25/06/2005 23:02)
d mahereza zany ra clarys fa hitanao le viavy tsy hita b ihany ze tena ilainy e!