Filatsahan-ko fidiana 2023 (Lemady)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy efa tsara sy dongadonga, nantenaina tsy halazo
Fa vao tsy nirotsaka dia tonga, ny valiny mety ho azo.
Naleony niemotra tsy sazo.

Nisy nanatsofok'ihany, fa nony tamin'ny ora farany ,
dia tsy nalefany tany, nosintominy ny anarany.
Tsy ho efany ny sarany.

Nisy mody vonona sy sahy, nefa ny andro efa voaisany
Fa tsy lonaka aminy ny saha, ka esorina tsy ho isany.
Banga koa ny tapitrisany.

Nisy voabahana ny lakana fa manao bodongerona
Vonon-kandrovitra ny sakana, te hitondra azy miverina.
Ny volabeny efa naterina.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Fitiavana
196 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lemady
Inséré par : lemady
Date : 20/10/2023 18:38
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138