Ry Tiako, (Lemady)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na maraina tsy mbola nisasa,Na ny hariva tonga avy niasa,
Eny ny alin- tsy nahita-tory,
Tsy mba nilaozanao akory
Teo foana ianao akaiky ahy.
Ambakanao ny JIRAMA.
Na iva aho na avo toerana,
Dia nitoetra ianao fa tsy niserana.
Nandonaka ny karakaina
Nanamando indray ny maina,
Tonganao isan'efitrano.
Ambakanao ny paompin-drano.
Indraindray ianao mba lasa kely,
Fa tsy mba hitezerako velively.
Satria haiko fa fotoana fohy,
Dia hiverina amiko hanohy,
handrehitra ny mitarozaroza.
Ambakanao ity jiron-doza.
--------
Lien:
