MIREHITRA (MAZ RAMANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola misy vain'afo ve mirehitra ao sa... ...efa ringana tanteraka ireo fo niady ho anao?
Iza sy iza avy moa no mpampita fahalàlàna…
...natahotra ny hiavian'izao andro ratsy izao?
Sa hisy hilaza indray hoe : efa ohatr'izao foana io...fa aza be filaza ianao?
Ny "mandra-pahoviana" efa tsisy fetra intsony...
Vera potraka, efa simba ny fifampitondrana!
Efa diso lalim-paka ny hadinao ra-kolikoly...
Mibaribary tafahoatra ny fifanambakana...
Sa mbola vokivoky kely nahazo vatsy tsinjo...di'aleo ihany ho amizao?
Ny samy ory, samy adala ihany no mifamosavy,
Fa ny tena fahavalo tsisy sahy manorohoro.
Noana mafy hatrany hatrany mantsy isika mianakavy,
Ka ny kibo no ao ampo sy ao an-tsaina manontolo...
Sa ilay nifanindron'antsy nifandramatra karama, angaha tsy mbola henonao?
Ho Tantaraina sisa...amin'ny taranakay hamaritra...
Hoe nifamono izahay, dia, koa naripaka, nariana...
Nohon’ny fitiavankely sy ny vola tsy maharitra.
Sy aretina nafafy isantaona mangingina...
Sa hisy hino indray ilay hoe...ny Zanahary mihitsy izao manasazy izao?
Asa aloha, fa aminay : tsy hita intsony izao izay marina!
Sady tsisy te hahalala f'efa samy maka ho azy
Téléférika, zaridaina, ozinina aloha zao no amboarina,
Fahantrana izany : tandra vadin-koditra io, korazy,
Volam-panjakana izany, vakansinay any Dubay, fa tsy famahana ny olanao!!!
Fohazy ireo fanahy mpiady ho an'ny maha-olona,
Avereno any anaty fandaharam-pianarana
Ny hasin'ireo rà nandriaka nalatsaka ho sorona,
Mba fara-faharatsiny izay ho filoha manaraka,
Sao mba hisy saina ihany, eo ampamingavingana ny hasin-tanindrazanao!
20 Septambra 2025 / 17h36.
--------
Lien:
Fans:
hery
