'lay olon- tiako izay (Miarantsoa Anicet)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Lay olon- tiako izay!
Namitaka ahy in- dray,
Namitaka ahy in-droa ....
Dia mbola tiako koa ....
Angamba efa im- polo
Fa tsy sitrako asolo.

'Lay oon- tiako leitsy
Dia zazavavy fetsy !
Tsy tena hoe bikaina :
Zavavy kilemaina ,
Masiaka tsy tohinina ...
Tsy endrika tsy inona ...
Fa manandevo an' ahy ...
Tsy mendrika am- panahy!

'Lay olon- tiako :Lanto !
Mpamadika eny manko .
Mba miseho hoe sarotiny
Kanjo tsisy fotony!
Zavavy kely saina .
Tsy mendrika hohajaina .
Ianao sy ny amboa ....
Ô! Mitovy nareo roa !

MIARANTSOA ANICET
miala tsiny indrindra fa masiaka aho teo am- panoratana
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fisarahana - FITIAVANA
2804 2
Commentaires
andriary ( 16/02/2005 12:28)
raha toa ka mbola tianao izy dia ianao no mahay mitia indrindra ary sambatra...ianao satria tena tia sady tsy tia tena...deraina
kalamy ( 18/02/2005 11:28)
tsy tokony oharinao @ alika izy satri olona tahaka ano ihany, mpanoratra koa aho ka mba maneho ny hevitro tsy iza aho fa i Kalamy izay nanoratra ny tonokalo hoe NITIA AHO
Miarantsoa ( 21/02/2005 08:12)
Indraindray manko ny amboa manan- tsiana noho ny olombelona raha resaka sexe io no resahina !
Tsy isak' izay mahatsiaro akory izy dia mitady foana !
NY amboa ary manan- tsaina noho izy !Miala tsiny amin' izay mamaky sy mamaly aho fa izay no izy !
Aaaaarg
pissoa ( 15/03/2005 20:08)
1)Mbola mitombona ve ilay hoe
'Angamba efa im- polo
Fa tsy sitrako asolo.'
ao amin'ny faran'ialy tononkalo?
Sambatra be ianao raha eny.
2) Masiatsiaka ihany ilay farany.
fiaritiana ( 13/12/2005 08:50)
tsara le tononkalo fa mampalahelo ny farany!
felandefona ( 03/07/2009 08:30)
nasinao anle amboa le izy dia ohatrany hoe raha ohatra ka atolotra olona ohatrany tsy mety aminy maha olombelona...fa le izy milay ka ary mampieritreritra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147