malagasy (Miarantsoa Anicet)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASYNy kely am- pelan- tanako ,
'Lay sisa mba fananako,
Noritinao tsy nisy
Ka fotaka eny indrisy
No sisa mba miseho
Hatreo am- parany eo .
Pempoy io fa mivoitra.
Raha vao mitady hipoitra
dia alentika any am- parany .
Lotoy koa ny tantarany.
Tampeno teo ny molony ;
Ny aina asaivo atolony.
Ny rahalahy hajaiko
sy bavy sombin'ny aiko
No misaina toy izany ?
Ô! Ny rako moa tsy rany ?
Ny razanay moa tsy iray ?
Malagasy iray ray!
Malagasy iray reny !
Malagasy no fiteny !
Samy mainty tsotra izao
N' inoninona hatao .
Ka nahoana no mihavitra
Hamono fa tsy hanavotra?
Nahoana no misaina
Handripaka ahy an' aina ?
Vono olona mazava
Ny fahatrana havava
Niniana teo napetraka.
Isika natao 'lay hibotetaka ,
Ny mahantra mbola trohina
Hampitombo ireo komohina .
MIARANTSOA ANICET
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
Fans:
Miarantsoa
Commentaires
sonwin
(
07/12/2004 21:50)
Mahafinaritra mihitsy rangahy ny aingam-panahinao fa dia mandefa hafatra am-panajana ho an'ireo tsy matahotra tsiny sy tsy mataho-tody. Tena ontsa marina e. Mahereza isika gasy e, mbola hiposaka ny masoandro
Miarantsoa
(
08/12/2004 16:45)
Enga anie tokoa ry Sonwin mba hiposaka ny masoandrontsika !
Tsy maintsy mitolona foana !
Tsy maitsy miady @ fomba rehetra !
Tsy maintsy mitolona foana !
Tsy maitsy miady @ fomba rehetra !
vetsoko
(
13/12/2004 19:12)
tsara
chipie1
(
14/12/2004 18:11)
mahereza e!