WHITE FLAG (Miarantsoa Anicet)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy saina fotsy
Mitsangana eo am-baravaran-keliko
De te hilaza izay fa ...
Resy aho ry anjeliko.
Azonao baboina ,
Azonao vonoina.

Menamena loatra
Ny ra nalatsakao.
Ny foko no miloatra:
Marary, voaratranao.
Azonao tiavina aho
Raha toa ka mahatsiravina.

Raozy fotsifotsy
No ao anaty vaziko .
Ny foko anie ka tokana e!
Ianao 'lay notadiaviko.
Madio ho anao ny foko
Ry tiako tsy hosoloiko.

Dia..
Menamenatra eny
Ny foko manantena.
Mba niezaka aho niteny
F' ianao mihenahena.
Azonao tiavina aho
Fa azonao koa...Lavina.

MIARANTSOA ANICET
--------
Lien:
1336 1
Fans: Miarantsoa
Commentaires
nahrindra ( 11/01/2009 03:10)
ntsô... tena voadona mafy ve sa aingam-panahy sendra teraka?
tsara ilay tononkalo.
ho saina maitson'ny fanantenana izy amin'ity taona vaovao ity :)
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151