Ampidiro aloha ny tenimiafina
ETSY KELY (miHAJA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETSY KELYEtsy kely atataovy
sy ampio
ny finiavako
hanavotra ny firenena
mba ho vanona
sy velona.
Misy koa toe-tsaina hahitsy ao
misy fitsipika vaovao.
Misy, eny misy tsara
saingy tsy ampy
ho an’i Madagasikara.
Etsy kely re ampio e!
Fa mavesatra loatra
ity entako an-doloha,
ka sao miatonta
dia ho solafaka aho.
Mila anao
tariho aho…
Etsy kely orohako ianao
fa tafita ihany isika
ka he ny tanintsika…!
miHAJA
24.03.1982, Antsirabe
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
