FITARAINANA (naritsimba)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ory loatra izany fokoRaha misaina ny amintsika
Ilay hafanana teo
‘Zary lasa nangatsiaka?
Moa ve afo mololo?
Tsy nahazoana hafanana
Raha nitia tamin’ny fo
Dia lazaina, hadalana?
Tsia anefa no havaliko
Raha izany no fisainana
Ray ô! Izao no angatahiko
Esory ity fanaintainana.
NARITSIMBA
--------
Lien: