TIAKO IANAO (naritsimba)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Atolotro an'izay olona izay...!"



Niangaviako izato ianao
Mba hiara-dàlana amiko
Nanaiky tsara ianao satria
Fantatro fa efa TIA
TIA ahy hatramin’ny ela
Ary tiako, tsy havela,

Teny tsotra avy eo imolotra
Teny kely no atolotra
Teny tsotra mahalaza
Teny kely fa mazava
Mety efa fantatrao
Dia ny hoe : TIAKO IANAO

ENY, hoy ny valiteny
Moa ve ho ahy irery ?
Izaho tsy mivazivazy
Faniriako MARIAZY.

Dia nifanoroka tokoa
Izato molotsika roa
Tsy hadinoiko mandra-maty
Satria, fitia latsaka anaty
Eny, mamy tena mamy
Toy ny tsy tety an-tany
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1569 0
Commentaires
Malalason ( 31/08/2006 13:07)
tsara be r'se Tsimba a! ny manaraka sisa no andrasana dia hivoaka ny boky hihihihi
naritsimba ( 01/09/2006 10:30)
Mba mandefa ny aingam-panahy r'ise Malalason ah!
rari ( 10/10/2006 17:50)
Ary ise ry naritsimba tena manana aigam-panahy an! Tena mifamaofao be anga ny fianan'ise? Tsara e!
naritsimba ( 11/10/2006 10:22)
rari: manoratra ny tanana rehefa misy ny zava-mitranga eh!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : naritsimba
Inséré par : naritsimba
Date : 31/08/2006 10:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174