Enjika (Nat'urel)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh!Kodiaratsarety ity tany!
Resy aho anio fa rapitso ianao ambany!
Miodina foana io tsy mijanona mihitsy
Omaly ianao voky fa anio mitakiky
Dia saino amin izay
Ny ngidin ny vahona
Ohatrizany ko mantsy ny tandrifin-drahona
Dia aza mandatsa raha mba tojo ny avo
Fa ny mba irina dia areno ny lavo
Ka ianao io manenjika mafy
Otazanao izaho anio,rapitso mamafy
Izaho koa mba tsy hanaiky fa hikiry sy hiezaka
Na dia antsana aza ny lalana:izaho tsy mifezaka
Fa ny andresy anao,zay no tarigetra
Fikirizana tsara tsy asiako fetra
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
967 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143