ANDRIANIKO NY TENIKO (Nic Coper Ofisialy)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara ny an'ny hafa , fa ny ahy koa andrianiko,
Reharehako, tsy foiko, ka tiko sady mamiko.
Hizarako ny hafaliana, hilazako ny mahasoa,
Hoentiko ho porofo, fa reherehako tokoa.

Eny, Andrianiko ny teniko, hitoriako ny vaovao,
Ary asehoko ny akantony, ka ho aderako aminao.
Ny vaovao mahafaly, no hotoriko aminazy,
Ka hibitahako tsy ho laitra, ny haneoana azy.

Masina ny teniko, ka tsy atakalo no tsy amidy,
Fa tenin-drazako io, ka ho ahy dia sarobidy,
Fa tsy mba mihena mitaha , oharina amin’ny hafa
Nafahako nandroso,sy nanampy ahy ho tafa

Teny gasy, tenin-drazako, tsara sady meva
Ka sady Kanto sy mirindra, no sady koa maneva,
Miavaka raha teny, tena lafatra tokoa,
Fa na ny kalo na ny tonony, maharesy lahatra avokoa

Malagasy aho ary, tia teny gasy
Rehereha sy hasiny, ny fampiasako azy
Ka folahiko ny hafa, nefa ny ahy andrianiko
Mba ho lovain’jafy, sy ho an’ireo taranako
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
165 1
Fans: francillon
Commentaires
hery ( 25/09/2024 18:35)
Fanitsiana vitsivitsy izay sendra tsipalotra
- Hanehoana fa tsy haneoana
- Mena-mitaha (menatra mitaha) fa tsy mihena mitaha
hery ( 25/09/2024 18:35)
Mety disodiso fotsiny 😊
francillon ( 26/09/2024 16:34)
Mankasitra indrindra amin'ny fanitsiana fa tena ilaina.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015