fitia tsy ankiteny (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nipetra-drery aho
dia lasa indray nahatsiaro
ilay fihaonantsika
indray takariva izay
tsaroanao tsara angamba
ilay nifanindry lalana
rehefa isika nody
dia niangaviako ianao
mba hiara-dalana amiko
noho lay tranontsika
tsy mifanalavitra iny
ianao moa tsy nanda
fa dia nanaiky mora
dia iny isika roa
no niaraka nidola
toa tsy nahalala ora
dia nifanakalo teny
sy nifananihany
dia niaraka nitsiky
sy nivanivany
toa zary tsy hitantsika
irony halavirana
dia teny isika teny
fa nony tonga kosa
dia nanjary vitsy teny
toa lasa toa kanosa
tsy nahitana teny
dia nifampijery isika
fa hifanao veloma
ka ny tananao
noraisiko tsimora
sy nofihiniko ela
dia ny molotrao
nasiako mamikely
sy toa nampiako lela
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1830 1
Mpakafy: jonya20
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 03/07/2007 13:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136