NA INONA (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na inona ambara
Na inona hanginana
Dia isika roa tsy hafa
Fa misy rohy iankinana
Na inona tenenina
Na inona hafenina
Dia isika hifanampy
Fa tsy hifampimenomenona
Na inona ho lazaina
Na koa tsy ho tantaraina
Dia isika roa tsy hisaraka
Fa hifaningotra aina
Na inona na inona
Iarahantsika miaina
Na inona na zovy
No hampiferitr'aina
Dia ny fitiavantsika
No hery hamelon'aina.
Njaf09/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1300 1
Hevitra mandeha
aiinah ( 18/11/2015 11:57)
Na inona tokoa ? Dia lalan-tsy maintsy hizoran-olon-droa...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 18/11/2015 05:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103