HETAHETAKO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HETAHETAKO

Tanteraho ny faniriako,
Ray ô! Raha sitrakao,
Ka hanjary fifaliako,
Raha izao no atolotrao

Mba ekeo izay nofidiko,
Italahoako aminao,
Mba ekeo fa io no tiako,
Ray ô! Raha sitrakao

Atolory mba ho ahy,
Ray ô, iantrao
Fo sy saina amam- panahy,
Indro efa fantatrao

Io re no tiako indrindra,
Koa meteza ianao hanaiky,
Aza ariana aza afindra,
Aza avelanao hiafy

Tsy haiko mantsy izay hoe tsara,
Fa io no tiako sa iriko,
Omeo anio ry Ray malala,
Omeo anio mba hitsikiako

Tsy izay rehetra efa niseho,
Fa io mantsy nofidiko,
Koa indro mba ekeo,
Tanteraho ny faniriako

Njakahery ANDRIAMALALA
(08 Octobre 2024)
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
60 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014