MANDRAM-PIHAONA (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDRAM-PIHAONA Kopatanana malefaka no hany sisa tazako,
Ankona ny fo, sadaikatra ny vavako,
Moa atao ahoana ny hamoana izay nisy
Lalina ny sento, ny fo mitady ho kivy
Irony mamy izay niarahana, nahoana loatra re ?
Rehefa iny mba nantsoina toa lasa tsy nandrè,
Mantsy ianao ihany indrisy izao no lasa fery,
Fa nahoana loatra re e? Sahady ianao hiery
Tsy hita intsony izao ho ambara fa ny fo feno dia feno,
Satria ianao handao, ny eto anio izao malahelo,
Dify mantsy ianao, any ambadika tsy tazako,
Izay navelanao ho tsiaron'ny ampitso, indrisy fa tsy zakako
Atao ahoana re ny handrava ?
Izay nantsanganao tetoana, tena ankona ny vava,
Fa raha any aoriana any moa raha misy manontany,
Ataoko ahoana ny hitantara sy hilaza hoe: izany
Aleoko anio mba hitomany sy mba hisento lalina,
Fa any aoriana any hatsiaro anao rehefa manina,
Dia ilay tsiky tamin'izany, no izao no lasa sento,
Fa any mantsy ianao izay, nilaozanao ny teto
Fa ny lalan- tsika izao nozarain'ity sapanana,
Tsy maintsy hisaraka eto, ianao nizotra niankavanana
Zahay nizotra niankavia na dia tsy nahafoy anao,
Enganie mba samy ho tojo izay fiainam-baovao
Koa veloma mandram-pihaona satria dia manantena,
Masinà aloha ny anio, fa ny fo dia mbola mino hoe mbola hifanena,
F'izay rehetra nisy teto, tsy ho zava-poana akory,
F'izao sento eto izao, dia noho ilay fo izay tena ory
Ireo niaraha-nitsiky sy ireo tsiaro izay navela,
Ato am-po tsy mety maty, mba ho rakitrin'ny ela,
Ho porofo ny any aoriana fa ianao dia nisy teto,
Fa ny lahatra nanendry no izao tsy maintsy ekeko,
Ô ry fiainana mpanapaka an'izato lalam-piainako,
Mba tsilovy ihany re, izany fitarainako,
Ny fo anie ka malemy, aza avela hisento lalina,
Fa izay nasehonao, tena sarotra fantarina.
Njakahery ANDRIAMALALA
(27 Septembre 2024)
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana