TIAKO IANAO RY TANIKO (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO RY TANIKOTsy haitraitra sangisangy izao no ilazako,
Fa eny tena tiako ianao ry izato taniko,
Tsy ny anio ihany na irony efa lasa,
Fa anaty fo mitempo ary tena tsy voafafa
Ny anarana isalorako ny hoe Malagasy,
Tsy amidy tsy atakalo na amin'ny tsara na amin'ny ratsy,
io ny anarana hoentiko na ho aiza io na ho aiza,
Tsy hataoko hahamenatra, fa amiko io no manan-danja.
Na mahantra aza ianao ry izato fireneko,
Ianao no efa ato am-poko ary tena efa nekeko,
Na iza hanaratsy anao ry izato Taniko,
Tiako foana ianao ary tena andrianiko
Inoako sy antenaiko ô ry izato Nosiko,
Fa tena ho tanterako aminao izany nofiko,
Ny maraina anie hiposaka, ny hainjina indro ho rava,
Ny mponina aminao anie ho faly lalan-dava
Tsy ho an'olon-kafa akory izao soratro eto izao,
Fa tena ho anao ry Gasikara tiako,
Tsy ho azon'iza ho fafana f'efa ato am-poko ianao,
Fa ny foko raha misento dia malahelo anao.
Izay rehetra ho avy enga anie ho fifaliana,
Fa tena ela mantsy izay no niafiana,
Koa mivavaka ho anao hahita soa hatrany,
Manomboka ny anio ka hatrany am-parany any.
Njakahery ANDRIAMALALA
26 Juin 2026 (07h 00)
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
