TOMOTRA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMOTRA

Dieny mbola tsy manako,
Feon'antsiva ho fanairana,
Sao ho tratran'ny ankaso,
Amin'ny zavatra miserana

Dieny mbola tsy manisa,
Ny hoe ray roa sy telo,
Sao variana hamisavisa,
Dia avy eo koa halahelo

Dieny mbola tsy mipaika,
Ô izato ora farany,
Sao matory ka taraika,
Ka tsy ahita izay fiafarany

Dieny mbola tsy mirehatra,
Ô ity ny lelan'afo,
Sao eo dia hitsangamenatra,
Ka hiondrika sy lavo

Dieny mbola vao mafana,
Dia kapoky ho vita tsara,
Sao dia reraka ka hiala,
Dia ho nenina any afara

Dieny mbola tsy malazo,
Dia tondraho ho velombelona,
Fikiro tsara mba ho azo,
Sao rahampitso vao ho nenina

Dieny mbola tsy matory,
Ataovy aloha izay ho vita,
Ndrao tsy ho afaka intsony,
Dia hoe hipitrapitra

Njakahery ANDRIAMALALA
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
23 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Njakahery ANDRIAMALALA
Inséré par : Njakahery
Date : 17/09/2024 07:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134