TSIARO (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO,Niserana ao an-tsaina segondra vitsy monja,
Ny rakitrin'ny omaly sy ilay fiainana nanonja,
Tsy hita izay hambara fa toa nofinofy ihany,
Ireo izay nampitsiky, sy ireo nampitomany.
Velona ny sento raha nanjohy ireo fahiny,
Nitanisa ireo ratra, fahoriana hakiviana tamin'iny lalana iny,
Tsy hadino kosa anefa, irony hafaliana sy ireo izay nampitsiky,
Na dia teo ilay nampisento, nefa kosa tsy mba kivy.
Tsy hadino akory ireny fa voarakitra ato am-po,
Na ny tsara sy ny ratsy, voatahiry avokoa,
Ho lesona hatrany, hamisavisa ny ampitso,
Hanasoa izay kasaina, ho bala atao fitsinjo
Ho raketiko an-tsorana, mba ho ao anaty diary,
Mba tsy ho ahy irery, fa ao koa irony namana, ilay niara-niaritra narary,
Ity soratro eto anio, no handeha hanaporofo, fa ianao ilay tena namana,
Teo foana tsy nanary, nameno sy nanoro izay rehetra tsy nananana,
Maro ireo izay vita, maro koa izay kinasa,
Inoako fa any anatinao, ary mbola tsy voafafa,
Ry namana sakaiza, ilay niaraniady ny fahiny,
Na nifanditra indraindray, tsy nisy lolom-po na nifanome ny tsiny,
Fa hazakazaka tokoa mantsy raha izany fiainana,
Ao ny trotraka sy lavo, iza moa no hitarainana?
Raha tsy nisy ireo fahiny, moa ho tonga ve ny anio?
Na nandratra izy ireny, raha tsaroana itsikio.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 16/08/2025 11:59
