TSY IRERY INTSONY IANAO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY IRERY INTSONY IANAO

Topazo maso ny antsinanana, ny andrefana, ny avaratra
Toa feom-boron-kely sisa no hany henonao manako,
Mety ho rivotra mifofo, rahona matevina, orana milatsaka
Hisento kely ianao, senton-kafaliana hibanjina ny tavako

Ifalio fa…,
Na ho heverinao ho toy ny tany karakaina
Ka tsy orana handena, na rano hanamando
Tsarovy hatrany hatrany , fa ianao no sombin’aina
Ny antsika ny fitiavana, tsy mihelina toy ny ando

Na hangovitra ianao fa tamy izany fahavaratra
Aza akipy izato maso na masiaka izany tselatra
Etsy izato tananao, atolory fa aza miahotra
Mifalia sy matokia, tonia f’aza matahotra

Itsikio fa,…
Na tsy harena handravak’ity akany kely tsika
Mihoatra noho izany ny fitia tsisy tomika
Koa ifalio sy itsikio fa io no anjaran-tsika
Ekeo avokoa ny ho avy sy ireo izay vita

Koa manomboka ny anio, manomboka izao
Andeha izaho sy hanao mba ho tantara vaovao
Ny fahasambarana tsy hitoetra raha hoe tsy tsapanao
Satria manomboka anio dia tsy irery intsony ianao

Njakahery ANDRIAMALALA
Septembre 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
53 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144