VAVAKA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA

Ray ô ……
Tsy heriko niady,
Na ny soa izay nataoko,
Raha mbola afaka manoratra izao hetaheta izao

Fa ny tananao mitsotra,
Ilay tanam-pitiavana,
Tsy mba foy na mahasaraka an’ity olo-melokao
F’injay reko isan’andro ilay famindram-ponao

F’izany hery kely ananako,
Tsy mba avy taiza akory
Raha tsy ny fitantananao
Angamba efa tsy intsony

Dia hataoko akory ny tsy hisaotra
Hataoko akory ny hitazam-potsiny
Na izao fahavelomana izao
Nomenao tsisy tambiny
Ampy hisaoranay anao

Fa Ray ô!
Anio aho mba Henoy
F’izao no tonombavako
Hasandratro eto anio

Fa any anatiko any
Dia toloko sy tomany
Fa nahoana moa raha izany?
Fa noho ny fahotako ihany

Hatramin’izay aho mba niandry
Ilay ora sy fotoana ny mba niriko mafy
Hoe injay tokoa fa tonga ianao ry valimbavaka
Fa nigadona ny volana, ka tonga lasa taona
Gina tsisy akory…..

Fa hay any mbola misy namako
Malahelo mitomany amin’ny nohon’izay nataoko
Fa any mbola misy havako
Ilay nananako alahelo ka voatahiry tato anatiko

Mba niriko loatra mantsy Ray ô!
Ilay anarana mpandresy
Fa ny antonio ranomasoko io
Tsy hoe akory aho efa resy
Tsy sitrakao izany

Fa na ho afeniko toy ny inona
Izay any anatiko any
Tsy maintsy fantatrao ihany
Ilay fikasana ratsy indrindra tato anatiko
Ray ô, misaotra, fa nosakananao izany

Njakahery ANDRIAMALALA
08 Mai 2023
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
79 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144